Varinesy
Ny varinesy na verny dia ranoka madity, mangarahara sy maharitra ary mamirapiratra, azo avy amin' ny dity voajanahary na sentetika sy akoran-javamaniry hafa na mineraly, mihamafy amin' ny alalan' ny fietonana, ka lasa sosona fiarovana rehefa ahosotra eo amin' ny vohon' ny zavatra iray mba hiarovana izany amin' ny famelezan' ny rivotra na amin' ny fikasokasohana, na mba hampangirana sy hampalambolambo azy.
Arakaraka ny karazana dity nampiasaina ny fangaraharan' ny varinesy sy ny famirapiratany ary ny fahatoherany fahasimbana.
Ahosotra izy io ho fanaingoana (famirapiratra, hamatroka) na fiarovana (amin' ny vovoka, ny loto, ny taratra ivelam-bolomparasy) ka mamorona sosona manify mafy sy tsy misy loko amin' ny ankapobeny. Azo ahosotra amin' ny alalan' ny borosin-doko lehibe na atifitra mivantana ny varinesy.