iBet uBet web content aggregator. Adding the entire web to your favor.
iBet uBet web content aggregator. Adding the entire web to your favor.



Link to original content: https://mg.wikipedia.org/wiki/Ilangilangy
Ilangilangy — Wikipedia Aller au contenu

Ilangilangy

Avy amin'i Wikipedia
Ilangilangy any Tailandy
Vonin' ilangilangy

Ny ilangilangy dia zavamaniry (hazo) ao amin' ny fianakavian-javamaniry Annonaceae, avy any Azia Atsimo-Atsinanana sy any Filipina ary any Moluques. Ny anarany ara-tsiansa dia Cananga odorata. Volena io zavamaniry io noho ny voniny izay ahazoana menaka azo ampiasaina amin' ny fanamboarana ranomanitra. Ny teny hoe ilangilangy dia fanagasiana ny teny hoe Ylang-ylang izay avy amin' ny anaran' ilay hazo amin' ny fiteny tagalôgy (fiteny any Filipina), izay midika hoe "voninkazo dia voninkazo" na "voninkazo fanaperana". Volena any Azia Atsimo-Atsinana (any Mianmara, any Filipina). Nampidirina saika manerana ny nosy an-jana-pehin-tany any amin' ny Ranomasimbe Pasifika (Pôlinezia, Melanezia, Mikrônezia, Kaledônia Vaovao, Hawai, sns), sy any amin' ny tapany avaratr' i Aostralia, any Tailandy, any Vietnamy, aty amin' ny faritry ny Ranomasimbe Indiana (Madagasikara, Kômôro, Mayotte, La Réunion, Maorisy), ary any amin' ireo nosy Karaiba sy any Kôsta Rika io hazo io.