iBet uBet web content aggregator. Adding the entire web to your favor.
iBet uBet web content aggregator. Adding the entire web to your favor.



Link to original content: https://mg.wikipedia.org/wiki/Gambia
Gambia — Wikipedia Aller au contenu

Gambia

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Gambia
Sarin-tanin' i Gambia (voahodidin' ny tanin' i Senegaly)

I Gambia dia firenena ao Afrika Andrefana izay manana morontsiraka amin' ny Ranomasimbe Atlantika. I Banjul no renivohiny. Mirefy 11 295 km² ny velaran-taniny. Nisy mponina 2 173 999 tao Gambia tamin' ny taona 2020 ka 192 mp./km2 ny hakitroky ny mponina. Atao hoe Gambiana ny vahoakan' io firenena io.

Saika ao anatin' ny tanin' i Senegaly, afa-tsy ny tapany mitodika any Atlantika, i Gambia. Mamakivaky azy ny ony Gambia. Anisan' ireo firenena kely ao Afrika izy. Nahazo ny fahalevan-tenany i Gambia tamin' ny taona 1965.

Ny vahoaka gambiana dia fitambarana vondrom-poko maromaro, ka ireto ny lehibe indrindra: ny Malinke (40 %),ny Folany, ny Vôlôfo, ny Sôninke ary ny Diolà. Manaraka ny fivavahana silamo mifagaro finoan-drazana afrikana ny 95 %n' ny Gambiana; vitsy ihany ny Kristiana.

I Gambia eo anivon' izao tontolo izao

Mpamboly ny ankamaroan' ny Gambiana nefa ianjadian' ny toetany maina io firenena io.

Sarin-tanin' i Gambia

Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialin' i Gambia na dia miteny mandinga, vôlôfo, peola, sôninke, serera, kriô sy maro hafa ny mponina ao. Miteny frantsay ihany koa ny Gambiana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benîno - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany