iBet uBet web content aggregator. Adding the entire web to your favor.
iBet uBet web content aggregator. Adding the entire web to your favor.



Link to original content: http://mg.wikipedia.org/wiki/Seychelles
Seisely — Wikipedia Aller au contenu

Seisely

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Seychelles)
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Repiblik Sesel {{#if}}
République des Seychelles fr
Republic of Seychelles en
Repoblikan'i Seisely ((mg))
Sainan'i Seisely evan'i Seisely
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : « Finis coronat opus » (Ny farany no mandravaka ny asa)
Teny ofisialy kreolin'i Seychelles, anglisy, frantsay
Renivohitra Victoria
4°37′S, 55°27′E
Tanàna ngeza indrindra Victoria
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Repoblika
Wavel Ramkalawan[1]
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 179
455 km²
Azo tsy rarahina
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 182
82 247 mpo.
181 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Seiseloa
IDH (2004) 0,842 (ambony) faha 47
Sandam-bola Ropia (SCR)
Faritr'ora UTC +4
Hiram-pirenena Koste Seselwa
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+248

Endrika:Notes pays

I Seisely na Repoblikan' i Seisely firenena tamba-nosy ahitana nosy miisa 115 ao amin' ny Ranomasimbe Indiana, ao atsimo-atsinanan' ny kontinentan' i Afrika, (1 600 km avy ao Kenia), ary ao avaratra-atsinanan' i Madagasikara. Mirefy 454 km² ny velerany. Atao hoe Seiseloà ny vahoakan' ity firenena ity.

Mitambatra ho firenena ireo nosy kely ireo ary ao amin' ny nosy Mahé no misy an' i Victoria renivohitra. Atao hoe Seychelles na Republic of Seychelles, izy amin' ny teny anglisy, fa Sesel na Repiblik Sesel, kosa amin' ny teny kreôly seiseloà, atao hoe Seychelles na République des Seychelles amin' ny teny frantsay.

Zanatany britanika i Seisely. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth sy ao amin' ny Francophonie izy. Telo ny fiteny ôfisialin' i Seisely, dia ny fiteny kreôly seiseloà, ny fiteny frantsay ary ny fiteny anglisy.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]
Sarin-tabnin' i Seisely

Misy nosy 42 - ireo "nosy any anatiny" - mahasahana ny 45 %-n'ny velaran-tany manontolo (244 km²), saingy mahafaoka ao anatiny ny 98 %-n' ny mponina ao Seisely. Ao koa ireo "nosy granitika" miisa 40 izay saika manodidina ny nosy Mahé avokoa. Feno harambato ny ankamaroany ary tery ny morontsirak' ireo nosy ireo. Ny lehibe indrindra amin' izy ireo dia:

Ao koa ireo nosy roa any avaratra dia:

Tsy nisy ny tena mponina tompon-tany tao Seychelles. Taranaky ny mpifindra monina eorôpeana, sinoa, indiana ary afrikana ny ankabeazany. Ny finoana kristiana, indrindra indrindra katôlika no arahin' ny ankamaroan' ny mponina.

Toe-karena

[hanova | hanova ny fango]

Ny fizahan-tany no tena iankinan' ny toe-karena ao Seisely. Mandroso be ihany koa ny fanjonoana amin' ny fomba maoderina. Ny Port-Victoria no anisan' ny seranana lehibe amin' ny fanondranana trondro ao amin' ny Ranomasimbe Indiana. Misy ao an-toerana ny ozinina mpanao ny trondro amin' ny boaty. Mivarotra solitany koa i Seisely.

Ireo distrika

[hanova | hanova ny fango]

I Seisely dia ahitana distrika 23.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://seychellen.com/en/wavel-ramkalawan-the-new-and-5th-president-of-the-seychelles/